- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaditoho Tsimbazaza : Tovolahy nanitsaka bibilava kanjo narary mafy saika maty

Ankaditoho Tsimbazaza : Tovolahy nanitsaka bibilava kanjo narary mafy saika maty

Nanaovana asa fampaherezana ilay tovolahy nanota fady tao amin’ny saha Ankaditoho vao avotra soa aman-tsara. Mila mitandrina ireo ankizy na tanora milalao amin’ny toerana manankasina. Trangan-javatra tsy fahita hatramin’izay no niseho tao amin’ny saha iray ao Ankaditoho Tsimbazaza, ny herinandro teo. Tovolahy iray antsoina hoe Herinirina, 21 taona no nahahitsaka sy nahadaka bibilava iray tao amin’io saha io tamin’ny fotoana nilalovan’izy ireo baolina tao an-toerana. Araka ny fanazavany, sendra nilalao baolina teo amin’io toerana io izy niaraka tamin’ireo namany no nilatsaka tampoka avy any ambony hazona letisia ilay bibilava izy anefa teo ambany teo ka voahitsany io biby io. Nahatsiaro fahatsapana hafahafa teo amin’ny tongony izy taorian’izay sady toy ny tsy tompon’ny tenany intsony. Nanamafy izany koa Rahajarison Patrick, mpahay tantara sady Olobe ao an-tanàna fa tena nisy tokoa ity trangan-javatra ity satria ilay niharam-boina hiverina ao amin’ilay toerana hanao ny fombafomba manoloana ilay ota fady nataony noho io bibilava voahitsany io. Nohamafisin’ity rangahy mpahay tantara ity hatrany fa toerana manan-jina sady manana ny hasiny ity saha ity ka ilana fitandremana indrindra ho an’ireo tanora miditra na hilalao ao an-toerana. Manamarina izany ny fisian’ny zazakely iray nipipy tao ihany koa ka namoy ny ainy avy hatrany. Toy izany koa ny nataon’ireo mpianakavy nanao fanahiniana nampiditra osy satria fady osy io toerana io ka lasa nifamono mihitsy ireto mpianakavy ireto nandritra izay fotoana izay. « Voahitsaka sy voahosihosy ny hasin’ny tany sy ny fady dia izany no mahatonga ireo biby hasiaka », hoy hatrany ity rangahay mpahay tantara ity. Teo koa ny fisian’ireo ankizy nilalao tarondro ka nahafaty ity biby manan-jina ity ka maty koa ireo ankizy ireo taorian’izay. Noho izany nitady vonjy ireo fianakaviana ka pasitera iray antsoina hoe Ranaivoarivelo Tsiresy, mitondra ny fiangonana Manamboara Vatsy izay voalaza fa sendra nandalo tao amin’io toerana io no nanao ny asa fampaherezana sy fanafahana ilay tovolahy rehefa nahita ity trangan-javatra ity ka avotra soa aman-tsara ilay niharam-boina. Voalaza fa tsy afa-bela avokoa ireo olona izay manota fady ao amin’ity toerana ity satria misy biby marobe sy fasana ary loharano tsy azo otana fady ao fa tena mamono. Misy ireo efa manao sorona saingy mbola maty ihany araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay raiamandreny mpahay tantara. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ireny toerana manan-kasina ireny ihany mba hialana amin’ny raharaha toy izao, indrindra ho an’ny tanora tia misetrasetra

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici