- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsinjoarivo Ambatolampy : Nifampitifitra ny miaramila sy ny jiolahy

Tsinjoarivo Ambatolampy : Nifampitifitra ny miaramila sy ny jiolahy

Sesilany ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina Tsinjoarivo, distrikan’Ambatolampy, nandritra ny herinandro nifanesy tato ho ato, saika notafihan’ireo olon-dratsy avokoa ny fokontany ao an-toerana ary tsy mifidy asiana izy ireo fa izay sendra azy dia mahita faisana avokoa. Manao andiany maromaro ireo jiolahy ary mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny  basy. Tsy vitan’izay fa mandrahona ny handoro ny toerany avy notafihany koa ireo jiolahy.  Tapitra raofin’izy ireo avokoa rehefa entana ao an-tokantrano, hatramin’ny kojakojan-dakozia sy ny biby fiompy rehetra. Fokontany iray voatafika tsy ela akory izay no nampandre ny miaramilan’ny DAS tao Andranovelona. Tsy nampiandry ela koa ny miaramila fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Teo ankilany, nanampy ihany koa ny fokonolona. Natao ny fanarahan-dia ny lalana nolalovan’ireo olon-dratsy. Tao amin’ny toerana iray antsoina hoe valan’Antananarivo kely no nifanehatra tamin’ireo jiolahy ny miaramila. Marihana fa zohy fieren’ny jiolahy ity toerana ity. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, ka voan’ny balan’ny miaramila ny jiolahy iray ary naratra mafy, izay mbola tsaboina ankehitriny. Iray hafa koa no azo sambo-belona. Jiolahy roa kosa no tafaporitsaka nandritra ny fifandonana. Fantatra moa fa mponina avy ao amin’ny koaminina Tsinjoarivo ny iray tamin’ireo voasambotra.

 Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser