
Mbola anatin’ny fampitomboana ny fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny foibem-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy izay rehetra misehatra aminy ny firenena malagasy. Na teo aza ny olana maro nianjady teto amin’ny firenena toy ny valan’aretina, ny rivo doza sy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana dia nahitam-bokany ny ezaka natao nahafahan nampihena ny endriky ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazona sy mahery vaika . Nihena hatramin’ny 50% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, voakasika izany ny faritra Vakinankaratra izay nahitana taha ambony indrindra teo aloha. Tsy maintsy tohizana ny ezaka, efa eny ifotony rahateo ireo mpisehatra avy amin’ny ORN manakaiky ny vahoaka mampianatra ny olona mahandro sakafo amin’ny fampiasana vokatra maro loko sy fampiasana izay vokatra misy afahan’ny reny mitondra vohoka salama tsara sy afahan’ny zaza mitombo ara dalàna.
Isan’ny tetikasa tena nahitam-bokatra ny tetikasa FAFI na « Fahasalamana Ifotony » vao nahazo famatsiam-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena hahafahana manohy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka isan’ny misitraka izany ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny taona 2016 ary hitohy hatramin’ny taona 2026 indray hoy Dr Razafindratsata Fidimalala René tale nasionalin’ny secaline.
Andry N.