Gaga ireto mpitsara mpanampy raha nitsara ity voafonja vonjy maika Rakotonandrasana Céléstin 45 taona ity ny alatsinainy 22 aogositra, teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava noho izy nanolana ankizilahy 13 taona tao Andranomadio ny 18 novambra 2021. Voaheloka 5 taona am-ponja asa an-terivozona sy mandoha onitra roa tapitrisa ariary ny tenany tamin’ny didy navoakan’ny mpitsara sy ny mpitsara mpanampy ny ady heloka bevava.
Ny talata antoandro 23 aogositra mantsy dia efa teny Andranomadio manohy ny asany andavanandro ity voafonja ity, ka nanantona azy ireo mpitsara mpanampy isan’ireo niara-nidinika tamin’ny mpitsara mpamoaka didy nisian’ny fanamelohana 5 taona sy onitra roa tapitrisa ariary, nanantona an’ity voafonja ity ny antony ahitana azy manohy ny asany andavanandro. Tamin’izany no nampisehoan’ity voafonja ny “carnet”-ny ka hita taratra tao anatiny fa raha ny datin’ny 30 Aogositra 2021 andro voalohany nampidirana azy am-ponja vonjy maika no mba natoriany tao am-ponja, ary nomarihany fa isan-kerinandro izy no mitomboka ny “carnet”-ny eny amin’ny fonja sy manatitra ny vola 100.000 ariary saran’izany fivoahany ny fonja izany. Raha natao anefa ny fanadihadiana dia ny voafonja tsy voasokajy ao anatin’ny heloka bevava sy efa voatsara, no afaka manao ny “main d’oeuvre pénale” izay manao asam-panjakana na eo anivon’ny raharaham-panjakana na olom-panjakana ary tsy maintsy hanaovana antoka, ireo voafonja miasa ivelan’ny fonja. Noho ireo dia tsy azo ekena ny fanaovana asa ivelan’ny fonja tsy mbola voatsara indrindra fanaovana ny asa manokana ho azy. Raha ny voasoratra tao anatin’ilay “carnet”-ny nilazany ny fandoavany ireo vola isan-kerinandro, dia ny volana septambra 2021 no nivoahany fonja voalohany io, ka nitohy hatramin’ny datin’ny 6 jona 2022 araka ny voasoratra tao anatin’ilay “carnet” ihany, izay mifanipaka amin’ny datin’ny fidirana am-ponja vita fitsarana ady heloka bevava.
Ankoatra izany dia nanontany ny lehiben’ny fonja ny mpanao gazety mikasika ny raharaha, ka nambarany fa ireo lehibe manao ny taratasy maka ilay olona no matetika mandefa azy ireny hitoetra any an-tokantranony sy manao ny asany andavanandro, toy ny hita amin’ny “carnet”n’ity voalaza anarana ity izay tonia mpampanoa lalana ambony teo aloha, nefa taorian’ny tranga niseho sy hita ary tsikaritry ny fandraharahana ny fonja, dia efa naverina eo anivon’ny fonjan’Ambalatavoahangy mamita ny saziny ilay olona voalaza io.
Malala Didier


