Tsy misy najanon’ireo mpamaky fasana ny taolan-davan’ ireo razambe rehetra, afa-tsy ireo razana nalevina vao haingana tao anatin’ilay fasan-drazan’olona teto an-tampon-tananan’i Moramanga. Ny alatsinainy raha ny talata vao nisy nahita, nasavoritany teo amin’ny tany avokoa izay tsy nilainy rehetra ary tsy misy hamantarana na hanavahana azy intsony ireo taolana nifangaro toy ny karandoha sy ireo taolana fohy rehetra.Olona sendra nitady ny akohony tafavoaka ny fefy no nahatsikaritra fa, nisokatra tsy toy ny fahitana azy andavan’andro ilay varavaram-pasana ; izay tena harifomba tanteraka ny hidiny;afaka nanaram-po ireo olon-dratsy nanivana sy nisafidy izay nilainy nandritra ny fotoana nijanonany tao am-pasana ary efa tsy misy fahatahorana intsony, satria mbola vao eo an-dalam-pahasimbana tanteraka ny sasany.
CATHY