- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalavory : Zanaka mpiandry lasa jiolahy, maty voatifitra

Analavory : Zanaka mpiandry lasa jiolahy, maty voatifitra

Ny rainy notokanana ho mpiandry, ny zanany nandeha nandroba niaraka tamin’ny namany. Maty voatifitry ny zandary nony avy eo ity farany, taorian’ny fifandonana. Zava-nitranga tao Ankorondrano, kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia alina teo.

Tamin’io fotoana io, araka ny loharanom-baovao, dia nisy fotoam-bavaka nanokanana mpiandry tao amin’io tanàna io. Nahavory mpino maro izany, izay samy nakany am-piangonana avokoa. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa anefa no nanararaotra nanafika tokantrano iray tao an-toerana ny jiolahy niisa telo, niravaka moara sy ody gasy ary nitondra basim-borona. Tokantrano iray fantatr’ireo olon-dratsy tsara fa vao avy nahalafo tany. Izany vola izany avy hatrany no notakian’ireto olon-dratsy tamin’ireo mpivady tao an-trano. Tsy vitan’ny notakiana tamin’izao anefa fa mbola naharahana vono sy daroka hatrany. Nibaradaka ireto farany taorian’izay herisetra izay fa efa nalefa tany amin’ny olona iray tompon’ireny “cash point” ireny ny vola. Ity farany, araka ny fampitam-baovao azo ihany koa dia efa noezahin’ireo andian’olon-dratsy nalaina an-keriny, saingy tafatsoaka.

Taorian’izay fanafihana izay moa dia voalaza fa nitsoaka toy tsy teo ireo olon-dratsy, ary nanapoaka basy imbetsaka ho fampitahorana ireo fokonolona, izay nahatsikaritra ny zava-nisy. Raikitra ihany na izany aza ny fifanenjehana, nataon’ireo fokonolona sy ny zandary. Mbola nanohy nanapoaka basy ihany araka izany ireto jiolahy ka voatery nitifitra ihany koa ireo zandary. Voan’ny bala ny iray tamin’ireo malaso ary maty. Tafatsoaka ireo namany.

Rehefa notsirihana ity jiolahy maty dia fantatra teo fa zanaky ny iray tamin’ireo mpiandry, nivory tany am-piangonana. Mbola tratra teny aminy avokoa ny moara sy ireo ody gasy marobe niambozonany. Nahitàna basim-borona iray ihany koa tany aminy. Taorian’izay fitsirihana sy fizahana ny razana nataon’ireo mpitsabo tany an-toerana dia natolotra ny rainy, ity “zaza nania” ity. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa, hoy ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Mety jiolahy ohatran’ny zanany koa ilay mpiandry notokanana,
    Indraindray ny fivavahana hanafenana zavatra
    Les chiens ne font pas des chats.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici