Roa herinandro aty aoriana, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Belo Tsiribihina ireo olona tompon’antoka tamin’ny famoanoana feno habibiana ilay katekistan’ny fiangonana FLM tao Andranofotsy. Miisa dimy ireto olona ireto, raha ny fampitam-baovao, ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, rehefa natolotra teo anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana ny alakamisy teo. Raha ny vaovao azo hatrany dia nokasain’ireto olona ireto hatao sorona ny lohan’ity mpitondra fivavahana ity, mba hahazoan’izy ireo “mercure”. Tsy maintsy taovana olona mpivavaka na mpitondra fivavahana mantsy, raha ny voalaza no ilain’ireo mpitana ody ho amin’izay sorona izay. Fantatra fa na dia tratra aza ireto nahavanon-doza dia tsy mbola tsy hita kosa ny toerana nanafenan’izy ireo ilay lohan’ilay katekista. Mbola mikaroka izany fatratra amin’izao ny fianakavian’ity farany sy ny ireo zandary any an-toerana. Marihana fa olona tsy lavitra an’ilay katekista avokoa ireto olona voarohirohy ireto ho tompon’antoka ireto, ary saika olona mahafantatra azy tsara. Ny iray mantsy dia filohan’ity fiangonana loterana izay nisy azy ity ihany, ny roa dia ireo olona, isan’ireo mpino tamin’io fiangonana io, ary ireo niaraka taminy tany amin’ilay olom-boafidy, raha nangataka fanampiana ho an’ilay fiangonana tarihiny izy ireo. Nisy tamin’ireto voarohirohy ireto ihany koa no mpimasy sy sefo fokontany, samy avy amin’iny distrikan’i Mahabo iny avokoa.
m.L