- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolaona : Lamasinina nitondra solika, nivadika

Ambatolaona : Lamasinina nitondra solika, nivadika

Tato ho ato dia efa maromaro ihany izay ireo tranga lozam-piaran-dalamby izay.

Fahanteran’ny fotodrafitrasa sa fanapotehana niniana natao ? Fiaran-dalamby iray, hihazo an’Antananarivo no nivadika tetsy amin’ny PK 57, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andanona, fokontany Ambatomivahy, kaominina Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana omaly atoandro. Araka ny fampitam-baovao azo dia vokatry ny fahatahapan’ireo “traverse” hazo miisa anankiroa mitsivalana mihazona ireo lalamby no vokatr’izany. Nitondra solika (gazoil) avy any Atsinanana handeha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiaran-dalamby ity no izao tra-doza teo an-toerana izao. “Wagon citerne” dimy no feno izay solika izay, raha tsy nisy n’inona n’inona ny anankiray. Ny roa tamin’ireto “wagon citerne” no niongana sy nivadika, raha ny fampitam-baovao azo, rehefa nihotsaka ilay lalam-by ary niala tamin’izany ireo kodiaram-by an’izy ireo. Soa ihany, fa tsy nisy very ireo solika, tao anatiny, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy nisy ihany koa ny olona naratra na ny namoy ny ainy. Rehefa nahare ny loza nihatra tamin’ireto fiaran-dalamby ireto moa ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatolaona dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy sy nametraka avy hatrany ny fiarovana ireto entana ireto teny an-toerana. Ny lozam-piaran-dalamby tahak’itony moa dia ny pôlisy manokana misahana ny fiaran-dalamby no manao ny fanadihadiana rehetra : ny antony izay mety ho nahatonga izany loza izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici