- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTolagnaro : Tambazotran-jiolahy ravan’ny polisy

Tolagnaro : Tambazotran-jiolahy ravan’ny polisy

Nahatratra hatrany amin’ny 11 isa ireo olona voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Fitalevam-paritry ny filaminam-bahoaka Anôsy, ny alahady lasa teo, ka ny roa tamin’izany dia vehivavy. Izy ireo raha ny fantatra dia isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Amparihy, kaominina ambonivohitra Tôlagnaro, ny sabotsy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nisiana fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana ary nahalasibatra mpivarotra iray. Lasan’ireto jiolahy tamin’izany ny vola sy ny entana sarobidy isan-karazany.  “Taorian’ity fanafihana ity dia nanao ny fomba rehetra ny pôlisy tao an-toerana hitadiavana ireo jiolahy ka ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo no tratra teo amin’ny sakana nataon’ny Polisy teo amin’ny RN 13 ny olona miisa enina” hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisy. Nialohan’izay anefa, efa nisy roalahy voasambotra tao amin’ny fokontany Antaninarenina, taorian’ny fifanenjehana nataon’ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana. Ireto roalahy, izay saika nianjeran’ny hatezeram-bahoaka, raha tsy niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana. “ Ny andron’ny alahady io ihany koa no voasambotra tao Lanirano tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany ny mpivady iray izay fantatra fa nampiantrano ireto jiolahy ireto ka efa notazomina eny amin’ny birao” hoy hatrany ny vaovao. Nandritry ny fisavàna ny fiara nentin’izy ireo moa no nahitàna ireo karazana fitaovam-piadiana nentin’ireto farany nanao ny asa ratsiny, toy ny basy vita gasy miisa telo, bala calibre 12, niisa valo, zava-maranitra isan-karazany ary ody  gasy maromaro.

Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny Faritra Anôsy aza moa fa tsy ity mpivarotra ity irery ihany no efa lasibatra fa efa maro dia maro ireo olon-kafa no efa nataon’izy ireo nitondra faisana. Izy ireo, araka ny voalazan’ny Faritra hatrany, izay tsy olona avy any amin’iny toerana akory fa “saika mpiavy avokoa”. Nentina avy hatrany natao famotorana teo anivon’ny biraon’ny pôlisy moa ireto olona 11, tambazotran-jiolahy hikoizana ireto ary notazomina natao andrimaso avy hatrany, mialohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana, aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici