Atao mandritra ny dimy andro nanomboka ny alatsinainy 12 septambra hatramin’ny 16 septambra, ny atrikasa mikasika ny fanaraha-maso ireo sambo vahiny miditra ny seranan-tsambo. Famatsiam-bolan’ny vondrona Eropeana no nahafahana nanatontosa ity atrikasa ity, satria mandray anjara ao anatin’izany koa ny nosy comores izay mampiasa ny teny frantsay miaraka amin’ny Madagasikara. Isany manao atrikasa toy izao koa ny afrika andrefana sy afrika atsinanana ary ny fari-dranomasina Indiana. Nambaran’ny tale jeneralin’ny APMF, Atoa Randrianantenaina Jean Edmond, fa miisa 23 ireo Inspektera afaka manao izany fisavana ireo sambo izany, ka ilaina ny fanofanana azy ireo mba hanaraka ny fandrosoan’ny toe-draharaha. Efa hatrany amin’ny 2018 no efa mpikambana tao anatin’izany i Madagasikara izay mpikambana aty amin’ny fari-dranomasina Indiana. Miisa 29 kosa ny fanaovan-tsonia nataon’i Madagasikara momba resaka an-dranomasina, ary neken’ny Malagasy izany. Ankoatra izany dia nanazava ny fifandonana sambo kely na botry “Eau vive latsaka an-drano” sy vedety “Mazava II” tao Antsohihy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Antafiampatsa; nampitohy ny tananan’Ambiky sy Antafiampantsa ireto sambo kely nifandona ireto. Raha ny fanazavana azo dia 15min tsy idirana ao amin’ny tananan’Antafiampatsa no nifandona ity botry sy vedety ity tokony tany amin’ny 05ora hariva izay efa maizina ihany ny andro tamin’izay. Taorian’izay dia nanohy ny diany hatrany ilay botry raha nivadika kosa ilay vedety ka nandritra ny fanavotana natao dia olona enina no hita maty nataon’ireo vedety efatra. Natao ny fanenjehana ilay botry ny tany amin’ny 01ora maraina no tratra izany ka nentina natao fanadiadiana tao Analalava izay ataon’ny AMPF sy ny polisy ary ny zandary any an-toerana mikasika izao loza nitranga izao.
Malala Didier




