- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTrafika teny amin’ny RN7 : Toaka gasy 900 litatra, rongony 27 kilao...

Trafika teny amin’ny RN7 : Toaka gasy 900 litatra, rongony 27 kilao ary vatosoa 3 taonina sarona

Tsy misomonga ! Tanjon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana fa indrindra ny zandary misahana ny fifamoivoizana na ny BPR, izay eo ambany fibaibon’ny Kapiteny Andriambeloniaina Toky, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, ny hanafoana tanteraka ireo karazana trafika maloto eny amin’ny lalam-pirenena. Araka izany niverina nandray ny asany indray izy ireo teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, nanomboka ny faha-20 aogositra lasa teo, raha somary tsy tazana sy nahaato tao anatin’ny herintaona izay. Nahitam-bokany avy hatrany izany satria tao anatin’izay telo herinandro izay dia efa maro sahady ireo trafika sarona, tetsy amin’ny PK18, teo Ambatobevohoka, Bongatsara, distrika Antananarivo Atsimondrano. Tao anatin’izany ny fahatratrarana ireo toaka gasy voarara, ny 26 aogositra lasa teo, izay nahatratra hatrany amin’ny 900 litatra tany ho any, izay nafenina tao ambany gonin-tsaribao miisa efapolo, izay tsy nahazoana alalàna ihany koa. Teo ihany koa ny faran’ny volana teo, ny nahitàna ireo rongony maina, saika haparitaka aty an-drenivohitra izay nilanja manodidina ny 27 kilao tany. Ary ny farany, ny andron’ny talata teo dia vatosoa indostrialy, fantatra amin’ny anarana hoe “Triphane”, na “kunzite”, na “spodumène”, izay nahatratra hatrany amin’ny telo taonina latsaka kely teo, no saron’ireto zandary misahana ny fifamoivoizana ireto. Mbola nafenina tao amban’ny gonin-tsaribao, 26 isa tsy nisy taratasy ihany koa izany. Ambetin-teny mahazatra an’ity manamboninahitra ity moa ny hoe “tsy handefitra ny zandary ary hisy ny fisavàna hatrany amin’ny farany kely indrindra”. Ary dia izay tokoa ny zava-nisy sy nahitàm-bokany toy ny teny iny lalam-pirenena faharoa, izay niarahan’ny rehetra nahita tokoa ny fihenan’ireo trafika maloto isan-karazany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici