- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatr’olona sy rongony mahery vaika : Teratany vahiny 11 nosamborin’ny zandary teto...

Halatr’olona sy rongony mahery vaika : Teratany vahiny 11 nosamborin’ny zandary teto an-drenivohitra

Miasa ny zandary ! Na dia lefy tanteraka aza ilay resaka halatr’olona teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia tsy toa izany kosa ny an’ireo mpanao fanadihadiana. Nitohy hatrany ny famotorana nataon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Tana Ville, notarihin’ny kaomandiny, ny Kapiteny Rabarijaona Fabrice. Fantatra hatreto fa tafakatra hatrany amin’ny 24 ireo olona voasambotra nandritry izay telo volana izay ka ny 11 amin’ireo teratany vahiny avokoa. Voarohirohy tamin’ny raharaha isan-karazany : halatr’olona, fanaparitahana rongony mahery vaika, trafika isan-karazany sy ny maro samihafa. Nanomboka ny vola jona lasa teo tokoa dia nisy ny hetsika manokana notantanterahan’ny zandary teo an-drenivohitra, entina hisorohana mialoha ireo asa ratsy mety hitranga. Fa tao anatin’izany ihany koa ny ezaka famongorana hatramin’ny farany ireo mpanaparitaka rongony mahery vaika, toy ny “heroïne” , “cocaïne”, “metamphetamine”, “skink” sy ny tariny, izay voalaza aloha hatreto fa anton’ireny fanakorontan-tsaina, tamin’ny resaka halatr’olona nitranga teto an-drenivohitra ireny. Ireto farany, izay saika teratany vahiny ny ao ambadika, araka ny loharanom-baovao azo. Hatreto mantsy dia misy amin’ireo vahiny tonga eto Madagasikara, eto an-drenivohitra indrindra indrindra no tsy manana taratasy ara-dalàna akory ary tafiditra hatrany an-tendakely amin’ireo karazana trafika isan-karazany sy asa maloto eto amintsika. Ary ankoatry ny resaka rongony mahery vaika dia fantatra fa mirona any amin’ny trafikana hazan-dranomasina, toy ny “hippocampe” sy “corail noir” ihany koa izy ireo. Tamin’ireto vahiny voasambotry ny zandary, tao anatin’ny volana vitsy ireto, dia nisy teratany sinoa efatra, nizerianina  enina ary malianina iray. Nahatratra 13 ireo malagasy no voasambotra ihany koa noho ireo resaka ireo. Ary vao tsy ela akory izay no nisy olona roa hafa voasambotra teny amin’ny Cité-ny mpianatra teny Ankatso II, noho ny resaka fivarotana rongony mahery vaika (meth). Marihana fa nandritra izay telo volana nanaovana hetsika izay dia rongony mahery vaika mahery ny iray kilao mahery no sarona, izay mitombam-bidy hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary any ho any. Mbola mitohy hatrany moa izany hetsika ataon’ny zandary izany hatramin’izao. Ary manentana hatrany ny rehetra hiara-hisalahy amin’izany fisorohana sy ady izany ao anatin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana. Ny zandary dia namana, raha ny fanentanana ombieny ombieny ataon’izy ireo, ka tsy tokony hisalasala ny hiantso (laharana maitso 119), raha misy tranga mampiahiahy fa vonona hatrany izy ireo, na andro na alina …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici