Nitrangana fanafihan-jiolahy tany Ankazobe ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Olona roa no fantatra fa notifirin’ireo olon-dratsy tamin’izany, ka nahafatesana tovolahy 25 taona. Raim-pianakaviana tokony ho 40 ihany koa anisan’ny voatifitra ka mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nanafika tokantrano iray ireo jioalahy nitondra basim-borona. Rehefa tonga teo an-toerana ireo, nandoro avy hatrany ny tranon-kisoa iray teo amin’ilay tanana. Nahita izany ny fokonolona ka niantso vonjy sy nanao fanaraina. Nanapoaka basy ireo jiolahy ary nanao tari-dositra. Nanao tampody fohy anefa ry zalahy ary tamin’izay no nandoro tranon-kisoa iray hafa indray, sady nanapoaka basy. Tamin’io fotoana io no nivoaka ny tranony ireo roa lahy ka notsena’ireo jiolahy tamin’ny tifitra. Samy voa izy miarahalahy ireo vokatr’izany. Taorian’izay nitsoaka ireo olon-dratsy izay tsy nahazo na inona na inona. Niezaka nanenjika ny fokonolona, tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary izay nanampy tamin’ny fikarohana. Vokatry ny haizina sy ny mety ho fahaizan’ireo mpanafika ny toerana dia nanjavona izy ireo. Tsy nisy tratra na iray aza. Nentina namonjy hopitaly ireo voatifitra ka namoy ny ainy teny an-dalana ilay tovolahy 25 taona. Nanokatra fanadihadiana ny zandary any an-toerana. Araka ny fanazavana ihany, tao Ankazobe tanana mihitsy ity fanafihana ity. Tetika efa nomanina ka mety olona tsy lavitra ny voatafika ihany ny atidohan’ny asa ratsy. Eo am-panaovana ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana.
Yv Sam