- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina II : Solika notampohina  : “Voatonontonona ny filoha lefitry ny antenimierampirenena…”

Toamasina II : Solika notampohina  : “Voatonontonona ny filoha lefitry ny antenimierampirenena…”

Niantso mpanao gazety ny prefen’i Toamasina sy ireo teo anivon’ny OMC nahitana ny talen’ny polisy – komandin’ny CRGN – ary ny teo anivon’ny Tafika. Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa tsy misy idiran’ny filoha lefitry ny antenimierampirenena ity raharaha solika notampohina ity. Ny olana anefa dia miresaka ity filoha lefitry ny antenimierampirenena ity avokoa ny tambajotran-tserasera “facebook” mahalala ny raharaha, fa tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ny tenany. Nilaza ihany koa ny prefen’i Toamasina fa nanomboka omaly vao nanao fanadihadiana momba ny solika amidy amin’ireo tobin-tsolika eto Toamasina ny teo anivon’ny OMH Antananarivo sy Toamasina ary ny minisiteran’ny Angovo, mba hamantarana hoe iza marina no manao ity solika tampohina ity, izay miteraka fahasimban’ny moteran’ny fiara ampiasana azy. Nanaitra ny mpanara-baovao io nambaran’ny prefen’i Toamasina io, satria efa nilaza ny teo anivon’ny OMH Toamasina fa efa manao izany fanadihadiana ny solika teny amin’ny tobin-tsolika izany izy ireo, nefa hay lainga ny nambarany. Ankoatra izany dia tokony ho omaly no niakatra fampanoavana ireo olona enina voasambotra tao anatin’ity raharaha solika notampohina ity, araka ny fakana am-bavany nataon’ny zandary misahana ny heloka bevava. Ny nahagaga anefa dia ny mbola filazan’ny prefen’i Toamasina fa mbola mandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Mbola misy olona hafa hosamborina izany amin’ity raharaha ity mba tena hivoahan’ny marina. Tena tambajotra ity fanampohana solika ity, saingy mbola ny gazoala aloha no tratra teo, notampohina “petrole”. Tsy maintsy hiadiavana izany, hoy ny OMC, satria mpamosavy malemy no manao izany amin’ny fanimbana ny fananan’olona, ka tsy maintsy foanana, hoy ny prefen’i Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici