- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFotadrevo : Mpibizina volamena roalahy voapoizina, very Ar 7 tapitrisa

Fotadrevo : Mpibizina volamena roalahy voapoizina, very Ar 7 tapitrisa

Lehilahy roa mpanao bizina volamena avy any Ihosy, faritra Ihorombe, no lasibatry ny fanapoizinana vokatry ny fanafody natao tamin’ny sakafo nohanin’izy ireo, ny alin’ny talata 28 septambra lasa teo, tany Fotadrevo, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ka taraiky tsy mahatsiaro saina. Very lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny lelavola fito tapitrisa ariary tao anaty sakaosy, saika hividianana volamena, hoy ny  fianakaviany. Nanamafy ireto farany nitafa taminay omaly, fa hatramin’izao ora anoratanay izao dia mbola tsy tomombona ny fahasalaman’ireto mpividy volamena voapoizina ireto. Verivery saina ihany koa ny iray taorian’ny fahavoazana nihatra taminy. Misy olona ahian’ny fianakaviana ho atidoha nikotrika ity halatra avo lenta ity, fa mbola manangona ny porofo izy ireo, hatramin’izao, hisorohana ny fanosoram-potaka.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser