- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Raim-pianakaviana mpanamboatra basy, tra-tehaky ny zandary

Fenoarivo Atsinanana : Raim-pianakaviana mpanamboatra basy, tra-tehaky ny zandary

Ireo fitaovam-piadiana hita, niaraka tamin’ireo fitaovana fanamboarana azy, tra-tehaky ny zandary tao an-tokatranon’ilay rangahy voasambotra.

Ny herinandro lasa teo, rehefa nisy ny vaovao voarain’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Fenerivo Atsinanana ny amin’ny fisiana olona manamboatra basy any an-toerana dia natao avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra. Fantatra tamin’izany fa olona iray avy ao Analanampotsy, ao amin’ny fokontany Antanambao Bitavola, kaominina Ampasina Maningory, io mitana fitaovam-piadiana ary manamboatra basy io. Tamin’io fotoana io dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireto zandary ireto, izay notarihin’ny manamboninahitra, lefitry ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra tao an-toerana, nanao ny fikarohana ity lehilahy ity. Tsy ela tokoa dia hita ny toerana nisy azy, ary niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ireto farany, rehefa nisy ny alalàna nomen’ireo tompon’andraikitra. Tra-tehaka am-bodiomby, tsy afa-niala intsony ny raim-pianakaviana iray, mbola teo am-panamboarana fitaovam-piadiana. Tamin’ny fisavàna ny zavatra tao an-tranony moa no mbola nahitàna fitaovam-piadiana isan-karazany ary fitaovana marobe ihany koa fanamboarana izany. “Basim-borona calibre 16, tsy misy marika, basy poleta vita gasy nisy bala miisa enina, basy poleta marika “Rohm” mbola nisy bala niisa enina ihany koa, bala “calibre 7mm” miisa 11, ary fitaovana isan-karazany fiasàna amin’ny vy sy hazo”, hoy ny fampitam-baovao azo. Tsy nahitàna antonta-taratasy ara-dalàna moa ireto basy ireto, raha ny vaovao azo ary ity raim-pianakaviana ity rahateo ihany koa tsy manana alalàna akory hitazona izany basy izany. Teo no eo ihany araka izany dia nentina nihazo ny birao ity lehilahy mpanamboatra basy ity, ary notazomina natao andrimaso, ilaina amin’ny famotorana azy. Heverina, hoy ny fanazavana azo fa efa maro ireo olon-dratsy no nanjifa fitaovam-piadiana tato amin’ity rangahy ity. Tsy hijanona hatreo araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra fa tsy maintsy mbola hitohy lalindalina kokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici