Mbola voatazona vonjimaika eny Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo i Mahery Lanto Manandafy. « Tsy mbola fantatra hoe rahoviana ny fotoam-pitsarana azy. Salama tsara izy ary matanjaka ara-tsaina », hoy Ramatoa Doris Manandafy vadiny. Nilaza koa ity farany fa tsy hamoaka ny loharanom-baovao momba ny hitoriana azy mihitsy i Mahery Lanto Manandafy. Izy io izay torian’ny vazaha iray ho nanala baraka azy tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy. Vavao izay naparitak’i Malama tamin’ny Facebook momba ilay vazaha ho mpamatsy bala ny dahalo, ary mpitandro filaminana iray eo anivon’ny fiadidina ny repoblika ho mpiray tsikombakomba aminy. Natao fanadihadiana teny amin’ny polisy miady amin’ny heloka an’habaka ny zoma teo i Malama ary natolotra ny fampanoavana avy hatrany ny harivan’io ary naiditra am-ponja vonjimaika. Samy miandry ny tohin’ny raharaha ny rehetra. Yv Sam
Raharaha Mahery Lanto Manandafy : « Tsy mbola fantatra mihitsy ny fotoam-pitsarana », hoy ny vadiny
Articles qui pourraient vous intéresser



