Mpanendaka, mpangarom-paosy, mpamaky trano. Andiana tontakely no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ny faran’ny herinandro teo, nanomboka tetsy Antanimena, Behoririka ary Besarety. Efa hiaraha-mahalala tokoa ny maha faritra mena ireo faritra ireo. Antony iray, hanaovan’ireo pôlisy hetsika fisafoana foana. Ary tsy vitan’ny eny amin’ny arabe ihany fa tena miditra sy mijery ireny elakelan-trano fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ireny. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo aza dia tontakely miisa sivy no voasambotr’ireo pôlisy tsy manao fanamiana. Ny dimy tamin’ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia tra-tehaka teo am-pangaronana paosin’olona, raha ny efatra kosa vao nikasa sy nitily ireo hazany. Fa ankoatr’izay lehilahy iray ihany koa no voasambotry raha teo am-pisintomana poketran’olona tetsy Antanimena. Teo ambany mason’ireo mpitandro filaminana mihitsy ity farany no nanao ny ataony, hany ka noraisim-potsiny, rehefa avy nifanenjehana. Tany ho any amin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any any indray no nahatratra lehilahy iray hafahafa fihetsika tanaty elakelan-trano tamin’iny faritra Besarety iny ireo pôlisy nanao fisafoana. Nahitàna karazana fitaovana fanalahidy maromaro, tournevis ary hety lehibe tany aminy, tamin’ny fisavàna azy. Niaiky moa ity ranamana ity fa nikasa ny hamaky tranon’olona teny an-toerana izy no izao tra-tehaka izao. Samy nentina nihazo ny kaomisaria avokoa moa ireto andiana tontakely voasambotry ny pôlisy ireto. Natao andrimaso ho amin’ny famotorana ary hatolotra ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna.
m.L



