- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversBehenjy : Notrobarana antsy ny lohany, lasa ny vola vidin-tany

Behenjy : Notrobarana antsy ny lohany, lasa ny vola vidin-tany

Roa lahy, voarohirohy tamin’ny resaka fandrobana sy vono olona no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritra Behenjy ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray mpiray tanàna tamin’izy ireo ihany ity lasibatra ity, izay fantatra fa vao avy nahalafo tany.

Ny andron’ny alarobia hariva teo ny tranga nampivarahontsana. Handeha hody hihazo ny fonenany ao Andrariaka, fojiolahykontany Ambato, kaominina Behenjy ity lehilahy ity, rehefa avy namonjy ny tsenan’Andriatsivalana, no efa narahin’ny andian’olona maromaro, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any. Vao avy nahazo vola, dimy hetsy ariary, vidin’ny taniny ity farany. Ary ankevitry ny fantatr’ireto olona nanaraka azy. Nony niala telo kilaometatra monja ny kaominina Andriatsivalana anefa ity farany dia norobain’ireto andian’olona ireto ny vola sy ny entana maromaro tany aminy. Tsy vitan’ny norobaina fotsiny anefa fa tena niniana novonoina mihitsy. Notrobaran’ireo tsy mataho-tody ny antsy ny lohany, rehefa avy nodarohan’izy ireo mafy. Noheverin’izy ireo fa efa maty ity farany ary nandositra niaraka tamin’ny vola sy entana teny aminy izy ireo. Ny tsy fantatr’ireto olon-dratsy anefa, tsy maty ilay rangahy, eny fa na dia naratra mafy aza. Ny marain’ny alakamisy teo no nisy nahita ity farany. Voamariny tsara ihany koa ny sasany tamin’ireo olona nanafika azy, izay mpiray tanàna aminy ihany. Ny ampitson’io, ny zoma moa no noraisim-potsiny ny roa tamin’ireto mpamono olona izay mbola nahatratrarana ny sasantsany tamin’ireo entana nangalarin’izy ireo, niaraka tamin’ny antsy nokasaina hamonoana an’ilay rangahy. Nentina natao andrimaso tany amin’ny tobin’ny zandary moa izy roa lahy ireto. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ny ambiny. Ilay naratra kosa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici