Nisehoana fanafihan-jiolahy misesisesy tao Mahabo Andoharanofotsy ny faran’ny herinandro teo. Ny zoma, tokantranona mpandrafitra iray no notafihana andian-jiolahy mitam-basy. Lasa ny vola sy ireo fitaovana fiasana. Nifanehitra tamin’ny zandary ireo jiolahy ireto, teny an-dalam-pitsoahana ka voasambotra ny iray. Omaly vao maraina ihany koa dia tokantrano iray no voalaza fa notafihana jiolahy efa-dahy, nitondra basy poleta roa. Rehefa tafitra tao an-trano izy dia nandrahona ny tompon-trano. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 2 tapitrisa mahery, niaraka tamin’ny solosaina fentin-tanana iray. Tsy tratra teny an-toerana intsony ireo olon-dratsy, nony tonga teny ny mpitandro filaminana. Fa ankoatr’izay, nahenoana poa-basy teny Mahalavolona, adiny iray taorian’io. Nisy vaky trano hafa koa. Nony tonga teny ny zandary dia fantatra fa trano fitobian’entana izy io fa tsy nisy olona. Roalahy no nifanena tamin’izy ireo ary nentina avy hatrany, rehefa nampiseho fihetsika mampiahiahy.
m.L