- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana miaramila 2022 : Mbola omena herinandro ny eto Antananarivo

Fitsarana miaramila 2022 : Mbola omena herinandro ny eto Antananarivo

Adidin’ny olom-pirenena rehetra ny fiatrehana ny fitsarana miaramila. Taorian’ny nahavitana ireo tany amin’ny faritra dia anjaran’Antananarivo indray ny handray ny famaranana izany etsy amin’ny kianjan’i Betongolo manomboka ny 10 ka hatramin’ny 16 oktobra izao. Natao izany mba ho fitsinjovana ireo izay tsy nahatratra ny fotoana nanatanterahana izany ny volana jolay lasa teo. Marihina fa tsy andoavam-bola ny fitsarana miaramila, izay tsy maintsy andraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy anjara. Takiana kosa anefa ny fananana kara-panondrom-pirenena sy ny fitondrana penina rehefa hiatrika io fotoana io. Araky ny fandaharam-potoana napetraky ny « Direction du service national et de la gestion des réserves » na ny DSNGR izay tarihin’ny Jeneraly Solonirina Roger dia hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina izany ka hifarana amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy. Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ka hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina kosa ny alahady. Koa entanina isika rehetra izay voakasik’izao fandaminana izao mba ho tonga hanatanteraka izany adidy izany.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici