- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndramasina : Maty notsindrontsindromina ny antsy ny tompon-trano, maty voatifitra ireo jiolahy

Andramasina : Maty notsindrontsindromina ny antsy ny tompon-trano, maty voatifitra ireo jiolahy

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny tokantrano iray tany amin’iny distrikan’Andramasina iny. Vaviantitra iray, tokony ho 78 taona no maty, novonoin’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana ny tokatranony, ny harivan’ny sabotsy teo. Tsy ela ihany koa anefa dia nandray ny valin’asany ireo mpanafika, izay maty voatifitry ny zandary tany an-toerana. Jiolahy, izay tsy iza fa ny mpiambina tao ihany ny iray tamin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva mahery tany ho any no nitranga ity fanafihana ity. Tokantranon’ny mpivady efa nahazo taona ihany no lasibatry ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Antenibe. Ankevitry ny efa fantatr’ireo olon-dratsy tsara ny fomba fidirana tao amin’ilay tokantrano ary fantatr’izy ireo ihany koa fa tsy nisy afa-tsy ireo lahiantitra sy vaviantitra ireo tao. Nitaky avy hatrany ny vola sy ny zavatra sarobidy tao an-trano ireto farany, ary tsy nahita afa-tsy ilay vehivavy tao an-trano. Ity farany araka izany no niaritra ny vono sy ny daroka rehetra nataon’ireo mpanafika. Marihina, hoy ny vaovao, fa notsindrontsindromin’ireto olon-dratsy ny antsy ity farany ary tsy namelan’izy ireo raha tsy namoy ny ainy. Lasan’izy ireo tamin’izany moa ny vola sy ny firavaka sarobidy rehetra tao an-trano. Marihina fa tao an-trano ilay rangahy vadiny, saingy niezaka niafina tao amin’ny trano fidiovana tao ambony rihana. Fotoana vitsy taorian’io no tonga ireo zandary, rehefa nisy nampandre. Raikitra teo avy hatrany ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona manodidina. Tsy ela dia hita ireo mpanao ratsy ary niezaka nisambotra azy ireto farany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fisamborana azy anefa ireo olon-dratsy roa lahy, ary mbola nahavita nandratra olona roa tamin’ireo andrimasom-pokonolona ary mbola sahy nihantsy sy handeha handratra ireo zandary ihany koa. Voatery nampiasa hery araka izany ireto mpitandro filaminana ka tamin’io fotoana io no nahavoatifitra ireto mpamono olona ireto. Roa lahy izy ireo raha ny fampitam-baovao ka ny iray tamin’izany dia mpiambina tao amin’io trano ihany teo aloha, saingy voalaza fa efa noroahina noho ny resaka halatra nataony. Olona mpiray fiaviana aminy kosa ilay namany. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo ny razana moa dia efa natolotra ny fianakaviany ny an’ilay ramatoabe, raha nalevin’ireo fokonolona avy hatrany kosa iretsy olon-dratsy. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici