- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -

Tapatapany

#- Ambohidahy. Fiara 4×4 iray no nifaoka fiara maro

nijanona teo an-tsisindalana, ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any. Tsy fantatra mazava izay antony fa ny filazan’ireo nanatri-maso dia hoe nandeha mafy ity fiara ity avy any Anosy any. Nitsoaka nandositra rehefa avy nanao izany. Saika nahitàna fahasimbàna avokoa ireto fiara voadona ireto. Tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy fa ny fahasimban-javatra no betsaka.

#- Mahajanga. Andiana tanora maromaro, nirongo zava-maranitra

no tonga niantsy ady sy nanafika mpianatra avy namonjy ny toeram-pianarany. Niafara tamin’ny sakoroka izany ary tonga hatramin’ny fanimban-javatra mihitsy. Nisy fiara iray mantsy voalaza fa vaky fitaratra vokatr’izay. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Efatra tamin’ireto andian-jatovo ireto no fantatra fa voasambotra.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici