Mbola tavela teo amin’ny tratrany ny antsy natsindron’ireo olon-dratsy azy, tamin’ny fotoana nahitàna ity ramatoa iray, tao Ambalakatsaka, fokontany Vohimasina, kaominina Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy.
Nitrangan’ny vono olona mahatsiravina indray ny tany amin’iny faritra Bongolava iny, ny andron’ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao dia renim-pianakaviana iray tokony ho 44 taona no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, tamin’io fotoana io. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay zavatra niseho. Tsy fantatra ihany koa ireo mpamono. Ity ramatoa ity nitsirara nihosin-drà tsy lavitra ny tanànany mantsy no nanaitra ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ka nampandrenesin’izy ireo ny fokontany. Ity farany indray avy eo no nampandre ny zandary tany an-toerana. Tamin’io fotoana io moa, soa ihany fa misy foana ireo fisafoana ataon’ny eo anivon’ny zandary, ka ireto farany no nalefa haingana namonjy ilay toerana. Voalaza fa tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto mpitandro filaminana teny an-toerana dia efa noezahin’ireo fokonolona nentina nihazo avy hatrany ny tobim-pahasalamana ilay ramatoa, izay toa mbola nisy aina kely tamin’izay. Indrisy fa namoy ny ainy noho ny fahabetsahan’ny rà very anefa ity ramatoa ity. Mbola nitsatoka teo amin’ny tratrany, nifanandrify ny fony ilay antsy lavalela nanindromana azy. Marihina fa mponina ao Ambalakatsaka ihany ity ramatoa ity, ka taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Ny fanadihadiana kosa dia efa eny am-pelatanan’ny zandary ary mandeha ny fikarohana izay na ireo nahavanon-doza.
m.L