- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha fanampohana solika : Mpamily “camion citerne” efatra nosamborina tany Antsohihy

Raharaha fanampohana solika : Mpamily “camion citerne” efatra nosamborina tany Antsohihy

Ny fisavana nataon’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa mpitsinjara solika (LPSA), sampana tao Antsohihy no nahatratrarana fiarabe “citerne” niisa efatra, nitondra solika nitampoka. Notanana natao andrimaso avy hatrany ireo mpamily.

Tratra ihany koa ny tao Sofia ! Ny andron’ny alarobia lasa teo, nahazo fampitam-baovao avy eo anivon’ny sampandraharam-panjakana miandraikitra ny solika ny teo anivon’ny zandary, mahakasika ny fisian’ity resaka solika mitampoka ity. Voatonona manokana moa Antsohihy, izay fantatra fa misy ny rantsa-mangaikan’ny orinasana mpitsinjara solika aty Antananarivo. Noahiahiana fa efa tonga tao an-toerana ireo fiarabe nitondra ireo solika mitampoka io ka ny andron’ny io ihany, ny hariva tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any no natao ny fisavàna ny toerana, rehefa nisy ny fahazoan-dalana azo. Zandary, niaraka tamin’ireo teknisianina avy ao anivon’ny OMH sy LPSA no tonga tao an-toerana, nanao ny fitsirihana ireo fiarabe mpitondra solika tao sy ireo “cuve” fametrahana io solika. Tamin’izany, hoy ny vaovao, no nahitana zavatra nampiahiahy tamin’ireo fiarabe efatra tonga vao tsy ela akory, tao amin’ity toerana ity. Efa voavaha ary voasoloky ireo “scellés” amin’ireo fantsona rehetra fampidirana sy fandraharahana solika tamin’ireo fiara ireo, talohan’ny nahatongavany tao an-toerana. Rehefa natao ny fitiliana ireo solika tao anatin’izany “citerne” izany dia voamarika tokoa fa dia hafahafa ny lokony sy ny fofony, na ny lasantsy izany na ny gazoala. Na dia eo aza anefa izay, dia ny fanamarinana avy amin’ny laboratoara ihany no afaka manamarina na tsia ny fisian’ny fifangaroan-javatra hafa amin’ireo solika ireo. Tamin’io ihany moa dia efa nisy singa nalefa aty an-drenivohitra, hanamarinana izay.

Mandra-piandry izay anefa dia nentina natao famotorana sy natao andrimaso avy hatrany ny mpamily an’ireto fiarabe efatra nampiahiahy ireto, ary nogiazana teo an-toerana kosa ny “citerne”, mandra-piandry ny vokatry ny fitiliana sy ny fanadihadiana. Tetsy andanin’izay, manoloana ny zava-nisy dia fantatra fa hamafisina bebe kokoa ihany koa ny fisavàna sy ny fanaraha-maso ireo fiarabe “camion citerne”, mihazo iny lalam-pirenena fahenina iny.

Raha ny zava-misy tokoa hatreto dia tsapa fa efa tena miely patrana ity resaka solika mitampoka zavatra hafa ity, izay tsy nijanona tao Toamasina sy taty Antananarivo irery. Porofo ny maha-lehibe tokoa ny tambajotran’olon-dratsy ao anatin’izay. Ny mbola irarian’ny rehetra moa dia ny hahatongavan’ny fanadiahadiana any amin’ireo ngezalahy, atidoha nikotrika izao zavatra izao ary ny hisamborana azy ireo tsy misy fepetra na iza na iza. Hatreto tokoa mantsy dia saika irakiraka madinidinika no voasambotra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici