Tokantrano iray tany amin’iny distrikan’i Soalala iny no lasibatry ny olon-dratsy mitam-piadiana. Maty novonoin’ireo olon-dratsy tamin’izany ny raim-pianakaviana iray, mpandraharaha omby, sendra nivahiny tao amin’io toerana io. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo no nisehoan’ity fanafihana ity, araka ny fampitam-baovao azo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nisy ny fampandrenesana nataon’ny olona ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andranomavo fa nisy trangana fanafihana sy vono olona niseho tao amin’ny tokatrano iray tao Mangarivotra, kaominina Andranomavo, distrikan’i Soalala. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary, saingy indrisy fa lehilahy tsy nisy aina intsony, nitsirara tao anaty rà mandriaka no hitan’izy ireo. Novonoin’olona tsy fantatra ity rangahy ity, izay fantatra fa olona mipetraka any Mampikony saingy mandalo tao amin’io kaominina Andranomavo io, nikasa ny hividy omby. Trobaka antsy no nahafaty azy raha ny vaovao azo hatrany. Hatreto moa dia tsy mbola fantatra mazava izay zavatra lasan’ireo olon-dratsy, nandritra izany fanafihana izany. Efa eny am-pelan-tanan’ireo zandary avy Andranomavo moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo izay mety nahavanon-doza, tamin’io fotoana io ihany. Ny razana kosa, taorian’ny fitsirihana dia efa nomena ireo tompon’andraikitra.
m.L