Fifandonana mahery vaika teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana mpanara-dia indray no nitranga tao amin’ny kaominina Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny andron’ny talata lasa teo. Vokany, dahalo telo, izay malaza ratsy amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby any amin’iny toerana iny no lavo sy tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. Araka ny vaovao azo dia nitrangana fanafihana niharo halatr’omby tao amin’ny tanàna iray, tany amin’iny kaominina Andranomavo iny. Dahalo maromaro nirongo fiadiana no tonga nanafika io tanana io, ary nitondra ireo omby, nitsoaka. Tamin’io fotoana io, nanao fisafoana tsy lavitry ny tanana mihitsy ireo zandary tany an-toerana ary raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia. Tsy lavitra dia nifankatratra roa tonta. Vao nahita ireo mpitandro filaminana tonga anefa ireto olon-dratsy, avy hatrany dia nanao tongotra an-katoka, nitsoaka. Raikitra indray ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fifandonana mihitsy izany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andoharano. Tao anatin’izay no nahalavo ny telo tamin’ireo olon-dratsy, izay voalaza, araka ny loharanom-baovao fa efa dahalo raindahiny, nifampitadiavana sy nampitondra faisana iny faritra atsimo andrefan’ny kaominina Andranomavo iny. 45 taona ny zokiny indrindra ary 17 taona ny zandriny tamin’ireto olon-dratsy matin’ny zandary ireto, izay samy monina ao amin’ny tanana antsoina hoe Angodroabe, kaominina Andranomavo avokoa. Taorian’ny fitsirihana ny razana, nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia efa natolotra ny fokonolona izany. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo izay mbola mety ho naman’izy ireo any an-toerana, izay sahanin’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Mahajanga, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L