- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Rangahy mamo, voaendaka no vaky loha

Toliara : Rangahy mamo, voaendaka no vaky loha

Raim-pianakaviana iray 50 taona mahery mamo handeha hody avy nanala azy nanao « vendredi magnifique » no naratra vaky loha voaendaka sady voadaroka, ny alin’ny zoma teo, tokony ho tany ho any amin’ny 9 ora sy sasany, tao Ampasikibo Toliara. Mpitondra « cyclo-pousse » handeha hody no nahita azy nitsirara teo an-tsisin-dalana ka nitondra azy. Ity rangahy ity nimenomenona tsy nety nangina no nahafantaran’ilay « Ndaty » mpitari-posy fa voadaroka sy voaendaka izy. Iny faritra iny rahateo maizina sady mangina, ka toa manamora ny asa ratsiny tontakely tsy mifidy olona robaina amin’izao. Manginy fotsiny ny fitaritahan’ny zava-mahadomelina (rongony sy toaka voarara) toa ondanan’ny tanora milaza ho tsy ampy fialam-boly tsy an’asa ankehitriny, ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser