- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMakorely misy fiandry, raim-pianakaviana nivonto molotra

Makorely misy fiandry, raim-pianakaviana nivonto molotra

Betsaka ny trangam-piarahamonina hafakely misy amin’izao fivoaran’ny fanatontoloana sy teknoligia izao. Raim-pianakaviana iray 32 taona, monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara, avy nandray karama ny antoandron’ny alakamisy teo ka naka mpivaro-tena sy nanala azy no nividam-bava sy nivonto molotra rehefa avy nanoroka sy nilaleka ary nitsentsitra ny maha vehivavy molotra amban’ilay makorely. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia zatra mijery filma X ity lehilahy ity, ka nampihantra avy hatrany ny hitany amin’ny fomba sy fanaon’ny vazaha amin’ireny horonantsary mamoafady ireny tamin’ilay koaitra. 

Vita ny natao sy nifanarahana dia nandeha nody ranamana, kanefa teny an-dalana nanomboka nangidihidy mafy azy ny sisim-bavany ary tsy nijanona mihitsy ny hidihidy na dia nohaoatraoriny mafy tsy an-kijanona aza. Nivonto sy nivoara-mena ny molony rehetra avy eo, ka gaga daholo ny olona teny an’arabe sendra sy nahita an’ity mpilalao fitia ity nimenomenona nanao hoe : « sipa marary, makorely misy fiandry sy sida », sady nisafosafo ny faritry ny vavany tsy an-kijanona.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser