- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Basy sy bala tratra tao anaty fiara

RN7 : Basy sy bala tratra tao anaty fiara

Basy poleta iray sy bala miisa 17  no indray tratra tao anatin’ny fiara iray nentin’ny tovolahy izay saika nizotra tamin’ny lalam-pirenena fahafito ka saika hihazo an’andrenivohitra. Nandritry ny fisavana taratasin’ny fiara nataon’ny zandary no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatiny izy ireo. Vokatr’izany dia nasaina nivoaka ny mpamily ary nosavaina tanteraka ilay fiara kely. Inona tokoa fa nisy fitaovam-piadiana tao anatiny. Tsy nisy taratasy manome alalana mitazona basy ilay tovolahy raha araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro ny filaminana. Teo amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambohimpihaonantsoa, akaikin’Ambohimahasoa no nahatratrarana azy. Rehefa nohamarinin’ny zandary ireo bala dia fantatra fa ny roa tamin’ireo no efa niasa. Izany hoe taim-bala izany ny roa tao anatin’ireo 17. Avy  nitifirana inona ilay basy ? Nisokatra avy hatrany ny fanadihadian’ny zandary momba ity tranga ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser