- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy 16 taona noterena hanambady lehilahy 52 taona, nandositra

Toliara : Tovovavy 16 taona noterena hanambady lehilahy 52 taona, nandositra

Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia tovovavy iray 16 taona, voalaza fa maditra najanona tamin’ny fianarana, no noteren’ny ray aman-dreniny hanambady lehilahy iray 52 taona mpanarivo, ka nitsoaka ny trano fonenany nanomboka ny zoma antoandro teo, ary tsy mbola hita tsy tafody any an-tranony hatramin’izao ora anoratanay izao (omaly 13 h 30). Raha ny fanazavana azo dia efa nokarohina tany amin’ny fianakaviny, ny sipany, sy ny namany, ity tovovavy ity, nefa tsy nahitam-bokany izany. Mbola sakana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’izao arivo taona fahatelo izao ny fomban-tany, ka anisan’izany ny fampanambadiana mialoha ny ankizivavy, izay tokony mbola hianatra sy ho any an-tsekoly. Misy amin’ireo « ajampela » no tsy mankasitraka ny fanerena atao aminy, noho ny fitiavam-bolan’ireo nahitany masoandro, ka mitsoaka any amin’ny namany na olom-pantany. Tsy vitsy amin’ireo tovovavy efa manana sipa no miafina any amin’ny olon-tiany, ary ity farany matetika no tratry ny antsonjay rehefa avy eo.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser