- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversOlona enina maty an-drano

Olona enina maty an-drano

Fahafatesana maromaro indray no niseho tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny marina kokoa, fahafatesana tany anaty rano avokoa. Toerana vitsivitsy manerana ny faritra no nisehoan’izany. Voalohany, teny Mandroseza tovolahy vao 18 taona no namoy ny ainy dobo tao anaty ano. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nandeha nilomano izy io ary dia rendirka teny. Ny faharoa dia izay niseho tany amin’ny torana antsoina hoeAmbohitopoina any Ankazondandy amin’ny lalam-pirenena faha-3 ny zoma lasa teo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa ankizy vavy kely 14 taona no latsaka tao anaty dobo izay voalaza fa lalina no namoy ny ainy. Nilalao teo amoron’ity farihy ity izay izao nibolisatra izao. Fa mbola tany amin’iny faritra iny ihany, teny Ambohitravoka tsy lavitra an’Ambatomena, lehilahy lehibe iray ihany koa no lasa tany anaty ranon’i Mananara. Nandeha nividy kojakojam-pianarana no nialana tao an-trano. Ny voavoa hatrany no nahafantarana fa rehefa azony ireo zavatra nilainy dia somary nisotro kely izy. Tsy tafody io andro io anefa rangahy. Sahiran-tsaina ny fianakaviany. Ny ampitso no hita toa anaty rano ny fatiny.

Tany amin’ny toerana lavitra indray, mbola trangan-javatra nampalahelo no niseho tany Vatomandry ny sabotsy lasa teo. Ankizilahy telo no indray niara-maty tany anaty rano. Tsy hita teo no ho eo moa ny razana fa ny alahady maraina vao nitsingevana teny ambony rano. Araka ny loharanom-baovao dia avy aty Antananarivo anisan’ny namonjy fihaonam-ben’ny sampana lehilahy kristianina tany amin’iny faritra iny izy ireo. Efa nisy ny fitsipi-pifehezana natao tamin-dry zareo rehetra tonga tany ary efa nafamparana avokoa ny rehetra. Nisy fotoana anefa afaka nandeha malalaka tany amin’izay tiany izy ireo ka izy telolahy ireto nandeha nilalao rano. Mety lasa tany amin’ny lalina angamba kanefa voalaza fa tsy mahay milomano izy ireo ary dia nilentika tany. Natao ny ezaka rehetra niaraka tamin’ny fokonolona tany an-toerana tamin’ny fikarohana azy telolahy saingy tsy hita izany io andro io. Nisy ny fombafomba rehetra natao ary taorian’izay dia nentina niakatra taty Antananarivo ireto farany ary nikarakara ny fandevenana ny fianakaviany.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser