- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManja : Lehilahy mpaka an-keriny sy mpanolana voasambotra

Manja : Lehilahy mpaka an-keriny sy mpanolana voasambotra

Tsy vitan’ny alainy an-keriny ireo zazavavikely ataony lasibatra fa mbola ampiharan’ity jiolahy ity ny filan-dratsiny ihany koa. Tao anatin’ny hetsika “coup de poing” nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritra Menabe, dia jiolahy rain-dahiny iray no voasambotr’izy ireo ny andron’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora hariva tany ho any. Jiolahy, efa fatan-daza tanteraka amin’ny resaka fakàna an-keriny sy raharaha fanolanana, izay nampitondra faisana iny distrikan’i Manja iny ity voasambotra ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany. Tao anatin’ny fotoana vitsy tokoa izay dia niha-nirongatra sy nisesisesy ireo trangana tsy fandriam-pahalamena tany amin’iny faritra iny. Izay antony izay indrindra no nametrahan’ny pôlisy tany an-toerana paik’ady manokana entina miady amin’izany resaka tsy fandriam-pahelamana, niha-nahazo vahana izany. Nandritra ny fametrahana izay paik’ady izay indrindra no nahafahan’izy ireo nanjono ity jiolahy rain-dahiny ity, izay tsy afa-bela tao anatin’ny haraton’ireo pôlisy. “Nahitam-bokany izany ka izay no nahatratrarana ity jiolahy efa malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ireo zaza any an-toerana ity. Rehefa natao ny fakana am-bavany ity olon-dratsy ity dia izy avokoa no ambadik’ireo resaka fakana an-keriny miseho ao Manja. Aolan’ity jiolahy ity ireo zazavavikely alainy ary rahonany amin’ny antsy, hoy hatrany ny fanazavana azo. Marihina fa olon-dratsy efa ela nokarohin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana ity voasambotry ny pôlisy ity. Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana ingahirainy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici