- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Toamasina faharoa : Nisolo an’Atoa Réné Charles ny filohan’ny fikambanana Fagnanko

Distrikan’i Toamasina faharoa : Nisolo an’Atoa Réné Charles ny filohan’ny fikambanana Fagnanko

Araka ny fanazavana azo dia niova an’Atoa Réné Charles ny filohan’ny fikambanana Fagnanko, izay nisolo tena an’Atoa Roby Alphonse tsy hita amin’izao fotoana izao. Ity filoha vaovaon’ny fikambanana Fagnanko ity izany no mitarika vahoaka indray amin’ny fidirana ao anatin’ny tany efa manantompo ao Belambo. Misy anefa ny olana eo amin’ny mpitarika ny fikambanana Fagnanko teo aloha sy ny mpitarika ankehitriny, satria Ingahy Fanja izay olona akaiky ny filoha teo aloha dia tsy mety hitaona ny vahoaka intsony hiditra ao anatin’ilay tany manan-tompo ao Belambo, ary tsy mampirisika ny olona hanohy ny fidirana an-keriny ao amin’ity tany ity. Vokatr’izao olana ao Belambo Toamasina II izao dia maro amin’ireo olona sasany tao anatin’ny fakana ity tanin’olona ity no mahatsapa fa nataon’ity mpitarika ny fikambanana Fagnanko ity fitadiavana vola fotsiny izy ireo. Ankilan’izay dia ny sasany amin’ireo vahoaka no mbola manohy ny fidirana ao anatin’ity tany manan-tompo ao Belambo efa “titré” sy “borne” ity. Ankoatra izany, ny herinandro nivalona teo, dia nahitana firehetana tao amin’ity tany ao Belambo ity. Iza indray no tompo-marika tamin’ny firehetana nitranga ity? lasa fomba amam-panao amin’izao fotoana izao ity fandorona tanety ity, ka ilaina ny fanadihadiana lalina momba ity fandorona nitranga ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici