- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFiainam-pirenena : Tokony hangina amin’izay ireo goaika antitra politika

Fiainam-pirenena : Tokony hangina amin’izay ireo goaika antitra politika

Manolona ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antoko AVI tany vangaidrano farany teo iny , nanadritra ny hetsika nataon’ity antoko ity ho fanaitarirana ny mpikambana ao aminy dia maro ireo olona tsy faly  ary maneho hevitra fa tsy manakasitraka izany. Tsy tokony hiseho sy hanome lesona ny Filoha Andry Rajoelina Andriamatoa Ratsirahonana Norbert Lala , hoy Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy. Mitarika fikambanana miaro ny zon’olombelona ary mandalina ny toe-draharaham-piarenena ny tenany, hoy izy, ka mahafantatra tsara ny zavatra ambarany. Efa ela no nisian’izany antoko AVI izany fa tsy  hita akory izay zavatra vita ka nampisongadina azy. Tsy sahy niatrika fifidianana akory fa ny fanendrena  olona ho eo amin’ny fitondrana angamba no nataony rehefa avy nialokaloka teo ambany elatrin’ny mpitondra voafidy. Noho izany toe-javatra izany dia milaza ity filoham-pikambanana ity fa tsy tokony hiteny sy hitsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenena instony ity goaika antitra amin’ny politika ka milaza fa mbola mpanolotsaina manokan’ny filoham-pfirenena ity. Aminy dia fihantsiana sy fanaovana ramatahora mba hanasongadinana ny tenany ihany ireny nataon’Andriamatoa Ratsirahonana ireny. Aoka ho mailo ny Filoha Rajoelina fa eo akaikiny eo ihany ny olona hamingana azy.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Ny miteny sy ny milaza hevitra kosa angamba tsy azo lavina fa kosa – na iza na iza – mihevi- tena ho lafatra sy tompon’ny fahendrena sy ny marina samy irery, dia mila dinihana lalina.
    Ny antitra antitra ihany fa ny tanora dia mbola ho antitra ihany koa , ka tsy maintsy omena sehatra fa tsy afaka ho miseho ho mahay loatra koa na manao rano dikaina zinga.

  2. Kotomaditra
    Miteniteny foana i Jean hafari ,taiza indray no nisy malagasy tsy sahy mety ny zanany raha misy tsy mety ny hataony ,na koa zanaka tsy manontany
    RAD rehefa tonga ny ady sarotra ,na inona hitranga na inona hidona ,Ingahy Ratsira sy INgahy Kaleta dia tsy azon’ny filoha hatao an jorom bala
    ireo no vy nahitany ary angady nananany .

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici