- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Polisin’ny FIP iray nanao « escorte » maty voatifitra

Fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Polisin’ny FIP iray nanao « escorte » maty voatifitra

Zava-doza no nitranga teto Toamasina omaly zoma atoandro fa polisin’ny FIP iray nanao “escorte” tompona orinasa hanao “versement” maty voatifitry ny andian-jiolahy enin-dahy. Teny amin’ny sampanan-dalana mihazo ny lycée Jacques Rabemananjara no nitrangan’izany, izay efa hitrangana fanendahana ihany koa matetika amin’ny takariva sy alina.

Raha ny fanazavan’ny komandan’ny FIP Rafaliarivo Jules, sy ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina niantso mpanao gazety dia bala roa no nahavoa ilay polisy nitarika izao fahafatesany izao. Raha ny fantatra dia avy any Ambohibe Vavatenina ity polisin’ny FIP maty voatifitra ity, saingy mbola andrasana ao amin’ny tranony ao Mangarivotra ny razana alohany hitondra azy any Vavatenina. Raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalana tamin’ny mpanao gazety dia olona telo izy ireo tao anaty fiara dia ilay mpitantanana ny orinasa sy ilay polisy ny FIP ary ny mpamily ny fiara. Saika hanao “versement” vola 40 tapitrisa ariary, izay no voalaza, teny amin’ny banky izy ireo izao notafihana andian-jiolahy izao, ary lasan’ireo jiolahy ny vola tamin’izany. Raha ny fanazavana hatrany dia tsy maintsy nisy firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasa izao zavatra niseho izao, satria tsy tokony hisy ahalala izao fanaovana “versement” izao afa-tsy ny mpiasa tao amin’ilay orinasa ihany. Araka ny fanazavana ihany dia miatrika fanadiadiana azy nanomboka ny zoma teo ilay mpamily satria tsy nikitihan’ireo andian-jiolahy ny nandritra ny fanafihana natao an’ity fiara fotsy ity; vokany nohazonin’ny mpanao fanadiadiana ny findain’ity mpamily mba hamantarana na tsia ny fifandraisany tamin’ireo andian-jiolahy enin-dahy ireto.

Milaza ny tsy andefitra amin’izao fitifirana ny namany manao ny asany izao ny polisin’ny FIP, saingy aleo aloha halevinay soamantsara ny namanay dia ho hita eo ny tohiny amin’ny fikarohana ireo andian-jiolahy enina nanafika nitifitra namono polisy ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici