- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Analanjirofo : Mpangalatra voasambotra : nokapaina ny tongony

Faritra Analanjirofo : Mpangalatra voasambotra : nokapaina ny tongony

Nofandrihana ary nametrahana paikady mahomby mba hisamborana ireo olon-dratsy. Efa fantatry ny olona ao an-toerana loatra mantsy ny fanaon’ireto jiolahy. Nahomby tokoa izany satria olona telo no indray sarona teo am-piotazana ireo jirofo. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia mpianaka izy telo ireo. Tafatsoaka ny roa fa ilay raim-pianakaviana kosa taraiky teo. Nanomboka teo ny daroka sy ny vono nataon’ireo fokonolona marobe. Raikitra ny fitsaram-bahoaka ary tao anatin’izany no nikapana ny tongotra ilany tamin’ny antsy. Vaovao avy any an-toerana no nahafantrana fa olona mifankalala ihany ilay olona tompon’ny tany sy ilay mpangalatra. Saingy tsy nisy intsony ny antra rehefa ny voly jirofo no voakitika. Manaporofo avy hatrany izany fa mbola manjaka ny fitsaram-bahoaka any amin’ny faritra sasany. Tsy manome lanja ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ireo olona  ary manao izay fitsarana mety aminy. Ankoatr’izay ihany koa, mainka manamafy ity fanao ity ny tsy fisian’ny fanadihadiana izay tokony hipaka hatrany amin’ireo nahavanon-doza. Dia ireny fitsaram-bahoka marobe any amin’ny faritra ireny ny vokany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser