- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBevalala : Vehivavy bevohoka hita faty, niendaka ny hodi-dohany sy ny hodi-tavany

Bevalala : Vehivavy bevohoka hita faty, niendaka ny hodi-dohany sy ny hodi-tavany

Omaly mariana be tamin’ny 7 ora sy sasany no nahitan’ny olona fatim-behivavy bevohoka teny Malaho Bevalala Atsimondrano. Samy tsiravina avokoa izay nahita ny razana, satria niendaka ny hodi-tavany, ny hodi-dohany ary ny ranjony. Teo akaikiny nahitana “verre à jeter” telo sy mosoara ary finday iray. Araka izany toa tsy fanendahana no nihatra taminy fa zavatra hafa mihitsy. Raha halatra mantsy tsy ho hita teo io telefaonina io. Ianjadian’ny herisetra ny vehivavy maro amin’izao fotoana izao. Misy miafara amin’ny fahafatesana izany. Rehefa tonga nizaha ny razana teny an-toerana ny zandary nizaha ny zava nisy dia naminavina fa, nisy namono ity vehivavy vao 18 taona ity ary avy eo natao teo amin’ilay toerana nahitana azy ny razana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Hatramin’izao mantsy tsy fantatra marina ny antony namonoana tamin’ny fomba nahatsiravina an’ity olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser