
Ny iray, tamin’ireo olon-dratsy tratra ireto dia efa jiolahy ikoizana sy mpamerin-keloka. Efa nigadra sivy volana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana, roa taona lasa izay.
Ny talata teo, jiolahy roa raindahiny amin’ny resaka fanakanan-dalana, fanafihana mpiantsena ary fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimiadana, tao Andohanatsaramarasina, fokontany Tsarasarotra, kaominina Ambohimiadana, distrikan’Andramasina. Teo am-pikasàna hanao ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy ireto no tra-tehaka ambodiomby, araka ny fampitam-baovao azo. Tafita ara-dalàna tany amin’ireo fokonolona tsinona ny fanentanana azy ireo ho amin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, izay nahafahan’ireo zandary tonga haingana sy ara-potoana tany amin’io toerana voalaza etsy ambony, izay saika niharan’ny fanafihana mitam-piadiana nataon-dry zalahy ireto. Mbola tratra tany amin’izy ireo moa ny basy vita gasy miisa telo fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy ataony miaraka amin’ny bala vita gasy miisa fito sy saron-tava iray. Mazava ho azy fa tsy nahatanteraka hatramin’ny farany ny zava-dratsy nokasain’izy ireo natao ireto farany. Tsy nisy araka izany ny naratra na ny aina nafoy na ihany koa ny fananana ravan’ireto andian-jiolahy ireo, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany.
Marihina fao anatin’ny hetsika fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra any amin’iny distrikan’Andramasina iny, izay ataon’ny eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny fanazavana azo hatrany. Mbola entanina hatrany araka izany ny ireo olon-tsotra, na iharam-boina na tsia, mba hanome loharanom-baovao marim-pototra sy ara-potoana hahafahan’ny zandary eny an-tsehatra mandray andraikitra tsy misy hataka andro.
m.L