- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMitsinjo : Dimy lahy saika hanafika mpivaro-mandeha, maty voatifitra ny iray

Mitsinjo : Dimy lahy saika hanafika mpivaro-mandeha, maty voatifitra ny iray

Ny faran’ny volana teo dia mpivaro-mandeha iray no saika lasibatry ny andian-jiolahy mitam-piadiana, tao Ambararatabe, kaominina Antseza, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny. Soa ihany fa nisy nampandre aloha ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mitsinjo, izay manao fisafoana amin’izany lalana izany ka tsy nahavita ny asa ratsiny iretsy olon-dratsy. Nisy ny fifandonana.

Anisan’ny azo lazaina fa faritra mena amin’ny resaka fanakanan-dalana tokoa izany lalana mampitohy an’Ambararatabe sy Mitsinjo izany. Antony iray nahatonga ireo zandary any an-toerana hanao fisafoana tsy ankijanona any an-toerana, ho enti-misoroka izay resaka tsy fandriam-pahalemana izay. Tamin’izay fotoana nanaovan’izy ireo fisafoana izay indrindra no nahazo antso izy ireo, mahakasika ny fisian’ny andian’olona, dimy lahy, mihaodihaody tamin’io toerana io. Hafahafa fihetsika ary mety hiomana hanafika ireo mpanao varo-mandeha mpindrana izany lalana izany. Nisy avy hatrany ny fidinan’ireto mpitandro filaminana tany an-toerana, ary nifanehatra tsy lavitra ilay lalan-tany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanimavo ny roa tonta. Ireo jiolahy dia efa hita tokoa fa miomana ny hanafika. Vantany vao nahita ireto zandary moa ireo olon-dratsy dia nihantsy ireto farany sady nanao tari-dositra. Nampitandrina ny tokony hijanonan’ireto farany ireo mpitandro filaminana, mba hanamora ny fisamborana, saingy mbola namaly ireo olon-dratsy. Hany ka voatery nitifitra iretsy mpanenjika. Iray tamin’ireo dahalo no maty, raha ny loharanom-baovao azo, raha tafaporitsaka sy tsy hita tany nanjavonana kosa ny ambiny. Tsy nisy naninona kosa ny avy aty amin’ireo mpanao fisafoana. Taorian’ny fitsirihana ny razana nataon’ny tompon’andraikitra moa dia nomena ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ity olon-dratsy, ho amin’ny fandevenana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany tafatsoaka any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici