Raha toa ka nilamindamin-dratsy ny fandriam-pahalemana tao amin’ny an-tampo,tanànan’i Betafo teo aloha teo dia niverina indray izany ankehitriny. Saika ahenoana vaky trano hatrany isan-kerinandro ka mandry tsy lavo loha ny mponina.
Ny faramparan’ny volana oktobra teo, araka ny angom-baovao, dia tokantrano roa no lasibatry ny fanafihana. Voalohany tao Andrefantsena, tokantranon’ny mpivarotra no notafiahin’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana, toy ny basy sy antsy lava lela. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo nanafika fa tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no tafiditra ny tanàna ireo jiolahy. Voambana basy izy mivady sendra an’ireo jiolahy ary nitaky vola. Tafaporitsaka tampoka anefa ny zanaka lahimatoan’izy mivady. Ity farany no niantso fokonolona ka vaky nandositra ireo jiolahy.
Mbola tao Antsinanantsena Betafo hatrany tao, Imerimandroso, dia tokantrano iray hafa ihany koa no nisy nanafika, ka vary efatra kitapo no fantatra fa tafavoakan’ireo jiolahy.
Andry N.