“Ampetamine” iray kilao sy “heroïne” iray kilao. Ireo tra-tehaky ny pôlisin’ny STUP, teny amin’ny vehivavy teratany vahiny iray tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alarobia lasa teo. Ny pôlisy misahana ny fiambenana ny sisin-tany moa no nahatratra ity vehivavy afrikanina tatsimo ity ary natolotra avy hatrany ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ho amin’ny fanadihadiana azy. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia avy any Afrika Atsimo ity vehivavy ity, izay saika hampiditra ireto rongony mahery vaika ireto teto Antananarivo. Tamin’io andron’ny alarobia io tokoa mantsy dia tratra nandritra ny fisavàna nataon’ireo pôlisin’ny PAF teny Ivato izany vehivavy izany, rehefa nahitàna vovo-javatra nampiahiahy tao anatin’ny valizy nentiny. Nampandrenesina ny STUP, ary tamin’ny alalan’ny fitsirahana nataon’ireo farany no nahafantarana fa “amphetamine” sy “heroïne”, ireto nezahina nafenina tao anaty fonosan-javatra tao anaty valizin’ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy hanaovana fanadihadiana izany terantany vahiny izany. “Nandritra ny famotorana no nafantarana fa avy any Afrika Atsimo ireo zava-mahadomelina ireo ary araka ny filazany dia ny olo-tiany no nanitrika izany tao anaty ny valiziny”. Nikasa ny hivantana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ambohibao ny tenany, araka ny vaovao azo hatrany, raha toa ka tsy tratra sy tsy nandray ny andraikiny ireto mpitandro filaminana ireto. Mazava ho azy fa mety ho tao amin’io trano fandraisam-bahiny io no mety nandraisan’ireo mpanao trafika ny entana, izay tsara marihana fa tombanana ho an-jatony tapitrisa ariary any ho any, raha toa ka raisina amin’ny vidiny farany ambany ho dimy alina ariary ny iray grama. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa amin’izao ireo pôlisy tompon’andraikitra amin’izany. Heverina mantsy fa tsy maintsy misy mpiray tsikombakomba aminy ity vehivavy, na dia hoe ireo olona efa vonona ny handray ny entana, rehefa tonga teto Antananarivo fotsiny aza.
m.L