- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana ao Toamasina : Tsy miraviravy tananany polisim-pirenena na tsy ampy isa...

Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Tsy miraviravy tananany polisim-pirenena na tsy ampy isa aza

Tsy miraviravy tanana ny polisim-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any Toamasina. « Manoloana ny fiakaran’ny tsy fandriampahalemana eto Toamasina dia ilaina angamba ny hahalalantsika fa tsy eto Toamasina ihany no misy fihomboan’ny tahampanafihana saingy ny eto no imasoantsika izao. Miombon’alahelo amin’ny maratra sy namoy aina tsy ankanavaka izahay. Tsy marina ny hoe miraviravy tanana fa tena manao izay tratra ny polisy sy miaramila ary ny zandary », hoy ny Contrôleur général de police Laubel Rakototiana, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Toamasina, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly.

« Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao dia nampitomboina manokana ny ezaka na hita sy tsapan’ny rehetra fa nihena isa ny polisy miasa eto toamasina mandrapahatongan’ny polisy hoalefan’ny foibe », hoy ny fanamafisana. 

Nilaza moa ireo tompon’andraikitra ny filaminana avy any an-toerana fa tsy hisalasala amin’ny fampiharana ny filamatra « polisy miaro sy manampy vahoaka ». « Ampio ny mpitandro filaminana fa ho antsika rehetra ny tombontsoa amin’ny fisian’ny fandriampahalemana ary ho ripaka malaky kokoa ny tsy manjary eto antoerana raha mifanolo-tanana isika », hoy ny talem-paritra. Ny any  an-dalam-pasika indray no hojerena manokana ary hisy halefa amin’ny faritra farany iasany ny polisy satria hita fa milamina ny ao antampo-tanàna.

Anisan’ny vokatra azo izao ny fahatratran’ny FIP Toamasina ireo jiolahy telo lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy anisan’ny namono ilay polisy tany an-toerana. Ny fanadihadiana sy loharanom-baovao marim-pototra no nahalalana fa anisan’ireo jiolahy mpandroba motoan’olona ireto jiolahy ireto. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireto jiolahy ireto.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici