Ankoatra ny asan-dahalo izay efa makalilo ny sofina ny mandre azy dia , mbola mamely mafy ihany koa ny fahatapan-drano. Efa ho ira volana sasa no maro ireo fokontany miaina tao anatin’ny fahatapan-drano teto an-tapon-tanànan’i Maevatanàna, izay tsy fantatra mazava ny tena hantony. Taorian’ny fitarainana nataony mponina, dia mbola miana amin’ny tsy fisian-drano, ny ankamaroan’ny olona aty an-toerana amin’izao. Raha ity olana makasika ny fahatapahan-drano ity no resahaina dia misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro anefa izany. Efa ho iray volana monja izao no miaina tao anatin’ny fijaliana rano ny vahoaka. Matetika maraina no tapaka ary any amin’ny misasak’alina izay vao miverina. Tsy mbola misy ny fiovana na teo aza ny fitaraina. Rehefa tsy ampy rano dia tsy maintsy manakarama olona haka rano amin’ny sarany 1000 Ariary ny iray daba mavo, hoentiny bajaj sy sarety azy, avy eny Antsakoamamy sy Ikopabe. Hatreto aloha dia sahirana avokoa ny fianan’ireo olona miaina amin’ny faritra ahitana fahatapahana lavareny ity. Henjana ny hilaharana mandritra iverenan’ny rano. Jerena mialoha ny » robinet » ary efa hasiana fitoeran-drano mitaty izany sao miverina tampoka amin’ny ora tsy fantatra. Ekena sy hita fa misy ihany ny fotodrafitr’asa nampetraky ny fitondrana aty an-toerana makasikan’ny » Forage » saingy tsy mahampy sy mahava ny olana iainanany mponina satria efa misy fahasimbana sahady.
Ratantely