- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Jiolahy raindahiny amin’ny fanedahana saron’ny pôlisy

Isotry : Jiolahy raindahiny amin’ny fanedahana saron’ny pôlisy

Ilay jiolahy sy ireo fitaovana nampiasainy.

Ao anatin’ny ezaka hampandriana fahalemana ireo faritra mafampana eny amin’iny Isotry iny ireo pôlisy ao amin’ny kaomisarian’ny boroborin-tany faha-4 ankehitriny. Ao anatin’izany ny fametrahana pôlisy eny amin’ireo toerana be mpivezivezy mba hisoroana ny fanararaotana ataon’ireo olondratsy. Isan’ny araha-maso akaiky iny faritra manodidina ny Tetezan-dRamala iny na nandritra izany no nahasaronana lehilahy iray 20 taona nampiahiahy fihetsika teny an-toerana omaly tokony ho tamin”ny 12 ora sy sasany. Ity farany moa izay efa malaza amin’ny halatra miaraka amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana maranitra eny an-toerana. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola hita teny aminy ny antsy miisa 02 sy tournevis izay andrahonany olona sy ampiasainy mandritra ny asa ratsy izay fanaony. Efa fantan-daza sy mpameri-keloka amin’ny asa ratsy toy izao ity lehilahy voasambotra ity. Fantatra fa any Andohatapenaka ny tenany no mipetraka fa eny amin’ny faritra Isotry kosa izy no manao ny asa ratsy. Hatolotra ny Fitsarana avy hatrany ity olona ity aorian’ny fanadihadiana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici