Nisehoana fanafihan-dahalo maherivaika tany amin’iny faritra Anjozorobe iny ny talata alina lasa teo. Omby sivy no lasan’ireo dahalo ary naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy kosa ny tompon’omby. Araka ny fantatra dia tany ho any amin’ny 10 ora alina tany ireto andian-jiolahy mirongo basy ireto no niditra amboletra tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimijery. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona raha ny voalazan’ireo mponina, satria nanapoaka basy izy ireo, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Avy hatrany dia ny omby no novantanin’ireo jiolahy ireo voalohany. Araka ny fantatra hatrany dia omby niisa 13 teo ho eo no lasan’izy ireo tamin’io fanafihana io. Nisy tompon’omby tsy nanaiky lembenana ihany, araka ny loharanom-baovao, ka sahy nanohitra ireo dahalo. Notifirin’ireto malaso ireto avy hatrany ity rangahy tompon’omby ity, ka voa teo amin’ny tongony. Raha ny filazan’ireo nahita ny fahavoazana dia naratra mafy ity olona ity ka voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Nanara-dia an’ireo mpangalatra omby ihany ny fokonolona saingy norahonan’ireo olon-dratsy dia niverin-dalana. Raha ny voalaza hatrany anefa dia toa nisy omby niparitaka ka navelan’ireo malaso ireo ary hita nony maraina ny andro. Na izany aza anefa dia nahatratra sivy ihany ny omby lasan’ireo olon-dratsy. Omaly vao maraina no nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana nanadihady sy nanara-dia ireo omby very niaraka tamin’ireo fokonolona.
m.L