
Mihamirongatra ny fanafihan-dahalo tato ho ato. Tsy mijanona amin’ny fandrobana fanana fotsiny izany fa miafara hatrany amin’ny famonona olona mihitsy. Lehilahy iray no maty vokatry ny tifitra nahazo azy teo amin’ny hatony nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokotany Beteza avaratra, kaominin’I Fotadrevo, distrikan’ Ampanihy ny alin’ny talata lasa teo . Niraradraraka ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy tamin’ny varavan’ireo olona tompon-trano tany an-toerana . Voa tamin’izany ity lehilahy ity, izay mpiansry ombin’izy ireo ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Tonga tany an-toeana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary tamin’izany. Tsy nisy tratra ireo jiolahy. Efa mampitaraina ny olona any an-toerana ny firongatry ny asan-dahalo. « Efa ho isan’andro ny fitaintaina. Mandry tsy lavo loha izahay. Miantso ny manapahefana mba handray andraikitra », hoy ny mponina. Andrasana ny tohin’ity raharaha fanafihana namoizana ain’olona ity.
Yv Sam