Olona efa-mianaka no maty vokatry ny fandorana nahazo ny tranon’izy ireo tao Andakana , distrikan’i Vondrozo, ny talata lasa teo. Ankoatra izay nisy ihany koa ireo voatsindron’antsy sy voakapa tamin’ny famaky. Araka ny vaovao avy any an-toerana, nisehoana asan-dahalo tao amin’ity tanàna ity. Nisy ny fandrombana ary izao niafara tamin’ny famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana izao. Misy avy hatrany fanahiana ho vonoan’olona noho ny kakay izao toe-javatra izao. “Mety misy ny antony nahatonga ireo olon-dratsy nanao izao fihetsika feno habibiana izao”, hoy ny fanazavana. Toe-javatra tahaka izao ilay nitranga tany Ankazobe vao tsy ela akory izay. Vokatry ny lonilony noho ny olana ara-piarahamonina matetika mahatonga ny toe-javatra tahaka izao. Matetika noho ny ady tany, hoy ny fanazavana avy amin’ireo mpanao fanadihadiana. Miandrandra famotorana ihany koa ireto vahoaka any Andakana Vondrozo ireto manoloana izany. Raha ny fantatra efa manao ny fandihadiana ny mpitandro filaminana ary efa nisy nidina tany an-toerana nizaha ifotony ity toe-draharaha ity ny manampahefana. Andrasana araka izany ny tohin’ny fanadihadiana ifotony. Andrasana ihany koa ny mety ho fanehoian-kevitry ny mpiaro ny zon’olombelona manoloana ity habibiana tsy roa aman-tany ity.
Yv Sam
Afaka manaram-po ny jiolahy satria ny lehibeny izao no mitondra.