- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Tafapetraka soa aman-tsara ny biraon’ny « CROC »

Analanjirofo : Tafapetraka soa aman-tsara ny biraon’ny « CROC »

Ny Croc, na ny « Centre régionaux d’observation et communication », dia ivontoerana isam-paritra iray, natao hanangonana antontan-kevitra sy antontam-baovao avy eny ifotony, mankany amin’ny ministera foibe. Izany no natao dia mba hanafaingana kokoa ny fandrosoana eny ifotony, satria fantatra amin’alalan’ireo antontan-kevitra ireo izay tena ho laharam-pahamehana, ilain’ny vahoaka. Ny zoma lasa teo dia tafapetraka soa aman-tsara izany biraon’ny CROC izany tany amin’iny faritra Analanjirofo iny. Lanonana notronin’Atoa Goverinoran’ny faritra, ny Dr Randriamanantena Marcellin, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy olo-manan-kaja isan-tsokajiny avy, sivily sy miaramila. Nandritra ny lanonana ihany koa dia nisy ny fanolorana fitaovana ho an’izany birao vaovao izany. « Table mixeurs » miisa sivy sy micro enina avy ho an’ireo « Delegue Communication et culture » miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, solosaina miisa roa sy « table de bureau » ary « table de réunion » ary seza miisa 12 avy amin’ny MID, ary « motocross » iray no natolotry ny Ministera ho an’ny Faritra hampiasain’ny Plate-forme SRCA. Marihina fa ny Croc dia miara-miasa akaiky amin’ity vovonana SRCA ity, na ny serasera ho an’ny fiovam-pihetsiky ny fiaraha-monina, izay manana ny tanjona hamolavola ny fiarahamonina ho tompon’andraikitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana. « Izao fisokafan’ny CROC izao no manosika ny faritra sy ny kominina hanana antontam-baovao azo antoka hanatsarana ny fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra aty ifotony. Isaorana mandrakariva ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, mijery hatrany ireo paikady hampandrosoana ny faritra tsirairay eto Madagasikara », hoy ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici