- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Olona enina maty nilatsaham-potaka, trano telo may

Maevatanana : Olona enina maty nilatsaham-potaka, trano telo may

Namono olona indray ny varatra tany amin’iny distrikan’i Maevatanana iny. Fianakaviana iray, mpivady niaraka tamin’ny zanany efatra mianadahy no indray namoy ny ainy, rehefa nilatsaham-potaka tao amin’ny tananan’Ampisavankaratra, kaominina Antsiafabositra, omaly maraina. Ankoatry ny aina nafoy dia fantatra fa trano telo ihany koa no may vokatr’izay varatra nilatsaka izay hatrany. Nahery vaika tokoa mantsy ny oram-baratra ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy tany an-toerana. Nirefodrefotra izay tsy izy ny varatra ary io niafara tamin’ny filatsahany tamin’ireto fianakaviana ireto. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no nahazo antso tamin’ireo tompon’andraikitry ny tanana tao an-toerana ny zandary miasa ao Antsiafabositra mahakasika ity loza mahatsiravina ity. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany. Saingy indrisy fa efa tranga mampahonena no novantanin’izy ireo. Trano vitsivitsy may kila forehitra ary tsy misy afa-tsy rindrina efatra maintin’ny afo sisa tafajoro. Levona tao anatin’izany hain-trano izany avokoa ny fitaovana rehetra tao amin’ireo trano ireo. Ankoatr’izay, dia ny vatana mangatsiakan’izy eni-mianaka. Nakarainkon’ny varatra, efa nalahatry ny fokonolona teo anoloan’ny tranony. Efa tonga tany an-toerana nanao ny fitsirihana ny razana moa ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana tany an-toerana, mialoha ny nanomezana azy ireo fianakaviany ho amin’ny fandevenana.  Nasiaka tanteraka ny varatra tany amin’iny faritra Betsiboka iny, tamin’ity fiandohan’ny orana ity. Tsiahiviana fa efa nisy olona roa ihany koa no namoy ny ainy tao Mahazoma, Maevatanana, herinandro vitsy lasa izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici